Masoivohon’i Chine: Sekoly 4 tohanana ara-pitaovana

Nitsidika ireo sekoly miara-miasa aminy ny masoivoho sinoa ny herinandro teo. An­isan’izany ny CEG sy Lycée tany Fianarantsoa, Toamasina ary Antananarivo.
Nidina ifotony nijery mi­vantana ny toe-draharaha misy amin’izao fotoana izao amin’ireo toeram-pampianarana efatra (CEG roa sy lycée roa) izy ireo. Folo taona no nanorenana ny fotodrafitrasa ary nisy ny tohana ara-pitaovana toy ny solosaina, fanontana printy, “onduleurs” ary dabilio ho fanatsarana ny toeram-pampianarana. Teo koa ny fampitaovana sy ny jiro ho an’ny sekoly sasany, ny fanomezana vatsim-pianarana avy amin’ny masoivoho sinoa ho fiarahabana ny vokatra tsara azon’ireo tanora avy amin’ireo sekoly efatra ireo. Manentana azy ireo hanohy ny ezaka ataony ny masoivoho sinoa.
Tamin’ity taona ity ny masoivohon’i Chine dia nanao fiaraha-miasa azo ampiharina sy nahavokatra niaraka ta­min’ireo sekoly fisakaizana efatra naorina niaraka tamin’ ny fanohanan’ny governemanta sinoa.
Heverina fa hitombo hatrany ny tanora malagasy tafita amin’ny fianarany ary ny fiaraha-miasa sinoa sy Malagasy eo amin’ny sehatry ny fanabeazana dia hitondra vokatra betsaka kokoa.

Tatiana A

Partager sur: