Zo fototra ny fisitrahana fanabeazana : 40 amin’ny ankizy 100 tsy mahavita ny ambaratonga voalohany

Nomarihina tamin’ny fampirantiana sary 30 eny amin’ny La City Ivandry, ny andro maneran-tany ho an’ny ankizy, omaly.
Maneho ny olana amin’ny fahazoan-drano vokatry ny fiovan’ny toetr’andro, ny fanabeazana… sy ny asa ataon’ny Unicef hampivoarana ny zon’ny ankizy ny sary rehetra.

Anisan’ny tolo-kevitra na­ro­son’ny vaomiera iraisam-pirenena momba ny zon’ny ankizy ny tokony hanaovan’ny fanjakana malagasy ezaka bebe kokoa amin’ny fahazoan’ny ankizy rehetra misitraka fanabeazana misy kalitao. Taorian’ny tatitra nata­on’i Madagasikara momba ny fivoaran’ny fampanajana ny zon’ny ankizy eto amintsika, teny anivon’ny vaomiera iraisam-pirenena. Ny taona 2022 no nahazoana ny tolo-kevitra hitondrana ny asa amin’ny ho avy, hoy ny solontenan’ny Unicef eto amintsika, Christine Jaulmes. Tsy mahavita ny ambaratonga voalohany ny ankizy 40 anatin’ny 100 miditra amin’ny garabola. Tokony ho maimaimpoana ny fisitrahana fanabeazana ho an’ny rehetra indrindra ho an’ny any ambanivohitra lavitra. Efa misy ny ezaka ataon’ny fanjakana fa hatramin’izao, tsy maintsy manefa ny latsakemboky ny Fram ny ray aman-dreny rehetra eny amin’ny EPP miankina amin’ny fanjakana, izay samy manana ny sorabola takiny ny sekoly tsirairay. Hanakaramana ny mpampianatra Fram tsy mbola mahazo fanampiana avy amin’ny fanjakana no anton’ny latsakemboka amin’ny ankapobeny. Asa mila hatsaraina sy hamafisina koa, araka ny voalazan’ny vaomiera iraisam-pirenena, ny fahazoan’ny ankizy ireo vaksiny miaro azy amin’ny aretina samihafa azo sorohina. Nandritra ny fisian’ny valanaretina Covid-19, nidina be ny tahan’ny ankizy nahazo ny vaksiny mahazatra mialoha ny faha herintaonany. Zaza iray amin’ny telo no tsy vita vaksiny mihitsy ka mety hanaparitaka tsimokaretina toy ny poliomelita. Tolo-kevitra fahatelo ny fiarovana ny zaza sy ny ankizy amin’ny fanararaotana ara-nofo.

Vonjy A.

Partager sur: