Taolagnaro sy Toamasina: sambo lehibe 2 mivahiny eto Madagasikara

Migadona ao Taolagnaro ilay sambo vaventy mitondra mpizahatany maro, vascoda Gama. Mahatratra 510 ireo te­ratany vahiny entin’ity sam­bo ity hisitraka ny hatsaran’ny tanàna ao Taolagnaro. Tera­tany alemà ny ankamaroan’izy ireo.
Mandritra ny fivahinia­nan’ity sambo lehibe ity dia hanjifa ny tolotra rehetra ao an-toerana ireo mpizahatany. Fanararaotra amin’ny sehatry ny fizahantany ny fisian’izany ary fotoana hanehoana ny fahaizana mandray vahiny rahateo.
Manana anjara toerana lehibe eo amin’ny fampandrosoana ny toekarena ho an’ny faritra Anôsy ny sehatry ny fizahantany ka tokony ho ha­tsaraina hatrany ny fomba rehetra mba hahafahana misarika mpizahatany, hoy ny governoran’ny faritra, Rakoto­ve­lomanantsoa Voahary.
Marihina fa ity sambo va­venty ity no mitondra mpi­za­ha­­tany noraisina voalohany tao Taolagnaro tamin’ity 2023-2024 ity. Hiisa 8 ireo sambo vaventy handalo ao an-toe­rana.
Etsy andaniny, miantsona ao Toamasina ihany koa ny sambo Logos Hope, izay mi­varotra boky. Fisitrahana kara­zam-boky mitondra haren-tsaina no entin’ity sambo ity. Afaka tsidihin’ny rehetra ny sambo ary hanetanana ny tanora satria tsy isan’andro no ahafahana mitsidika sambo toy izany, hoy ny tomponandraikitra any an-toerana.

Tatiana A

Partager sur: