Velon-taraina ny mponina: mirongatra ny asan-dahalo any Mandoto

Tsy mandry andro, tsy mandry alina ireo mponina any amin’ny distrikan’i Mandoto ankehitriny noho ny halatra omby sy asa fandrobana ataon’ny dahalo any an-toerana.

Niverina nahazo vahana ny tranga tsy fandriampahalemana any an-toerana tao anatin’ny telo volana farany, raha ny tatitra voaray tamin’ny mpianatra sy ny ben’ny Tanàna any an-toerana. Miaina ny halatra omby sy vono olona ary fandrobana ireo mponina amin’ny ankapobeny. Am-polony maro, manodidina ny 30 lahy, ireo andian-jiolahy manatanteraka ny asa ratsy misesisesy, raha ny tatitra voaray hatrany.
Fokontany maro no lasibatra amin’izany. Toy ny fokontany Ankazombohitra. Izay inefatra tao anatin’ny herinandro no notafihin’ny dahalo. Eo koa ny fokontany Ambohipeno sy ny manodidina. Izay ahitana ray aman-dreny betsaka mampiana-janaka eto Anta­nanarivo. Ny talata lasa teo, fokontany iray any an-toerana no voatafika. Lasa tamin’izany ny omby 40 isa, olona 4 na­ra­tra ary tokantrano 5 voaroba sy very vola.

Miantso handefasana mpitandro filaminana

“Tsy ampy ny mpitandro filaminana miasa any an-toerana ka tsy mahatohitra ireo dahalo manao ratsy”, hoy ny solontenan’ny mpianatra avy any Mandoto, i Ziona Alber­ton. Mihorohoro, araka izany, ny ray aman-dreny sy ny mpo­nina tavela any an-toe­rana ka nampiantso ny zanany mianatra aty an-drenivohitra hody any an-toerana. Noho ny tsy fahampian’ny enti-manana intsony vokatry ny fandrobana ataon’ireo malaso, raha ny tatitra voaray hatrany.
Miantso ny minisitry ny Fiarovam-pirenena mba handefa mpitandro filaminana any an-toerana sy hanao “opération anti-dahalo” ny fikambanan’ny mpianatra eo anivon’iny faritra iny afako­maly. Mba hitadiavana vahaolana maharitra amin’ny halatra.

Mino

Partager sur: