Ny momba ny lamba amin’ny antsipirihany no aseho eny amin’ny Hakanto Contemporary Ankadimbahoaka. Anisan’izany ny fampirantiana haikanto vita amin’ny lamba, sary sy valandresaka momba ny lamba, atrikasa sy fifampizarana.
Hitohy hatramin’ny 25 novambra 2023, eny amin’ny Hakanto Contemporary Ankadimbahoaka, ny fampirantiana « Lamba Forever”, iarahana mpahay kanto miisa 21. Ankoatra izany, misy koa ny valandresaka arahina ady hevitra iresahana ny momba ny lamba. Tanjona ny hampahafantatra ny maha izy ny lamba, indrindra eo amin’ny maha Malagasy.
Singa iray tena manana ny maha izy azy eo amin’ny Malagasy ny lamba. Araka ny nambaran’ny tomponandraikitra, manjohy ny fiainan’ny olombelona, vao manomboka eo am-pahaterahana hatrany amin’ny fahafatesany, ny lamba, izay no anisan’ny antony nanaovana ny anaran’ny fampirantiana hoe “Lamba forever, Mandrakizay”. Ankehitriny, maro anefa ny olona, indrindra ny ankizy sy ny tanora, no tsy mahalala ny hasin’izany lamba izany. Izany indrindra no nanaovana ny fampirantiana, hampahafantarana ny lamba sy ny tantarany ary ny momba azy. Ankoatra izay,ho hita eny an-toerana koa ny haikanto vita amin’ny lamba, rantin-tsary maneho ny fampiasan’ny olona fahiny ny lamba. Misy ihany koa ny fifampizarana amin’ireo mpahay kanto sy ny atrikasa iarahana amin’izy ireo.
Mpahay kanto miisa 21, Malagasy sy vahiny no niara-nisalahy tamin’ny fanatontosana izany. Raha tsiahivina, ny 8 jolay 2023 no nanombohan’ny hetsika. Araka ny nambaran’ny tomponandraikitra, tratra ny tanjona amin’ny ankapobeny, raha ny mpitsidika tao anatin’izay 3 volana mahery nampirantiana izay no jerena.
Lin