Tenisy – « Mada 2023 »: hotolorana 500 000 Ar izay tompondaka

Hotanterahina ao amin’ny Club olympique de Tananarive (COT), Ankadikely Ilafy, ny 27 novambra – 3 desambra ho avy izao, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja tenisy. Raha ny vaovao voaray teo anivon’ny Federasiona malagasin’ny tenisy (FMT), omaly, tetsy Ambohidahy. Hotolorana lelavola 5 hetsy Ariary sy loka maro avy amin’ny mpanohana ireo tompondaka amin’izany.
Handray anjara avokoa ny sokajy rehetra, 1ère – 4 ème série, lahy sy vavy, amin’io fotoana io. Ahitana ny sokajy zokiny vétérans ihany koa mandritra izany. Araka ny hita, miisa fito ny ligy mandray anjara amin’ity fifaninanana ity, ny ligin’Analamanga, mpampiatrano, Atsimo Andrefana, Amoron’i Mania, Atsinanana, Boeny, Matsiatra Ambony, Vakinankaratra. Handrafitra ny ekipam-pirenena malagasy Akomba izay voahosotra ho tompondoka amin’ny 1ère série, lahy sy vavy. Tsara ny mampahafantatra fa tamin’ny taom-pilalaovana 2022, nanjakan’ny ligin’Analamanga tanteraka ny fifaninanana “Mada 2022”, izay natao tany Antsirabe.

Fitia Randria

Partager sur: