Haneho ny talentany eny amin’ny La bella vita, Andoharanofotsy, ny Tafaray. Hotanterahina ny sabotsy izao manomboka amin’ny 3 ora tolakandro izany. Hifanakaiky kokoa ny mpankafy sy ny tarika amin’io fotoana io amin’ny maha “Cabaret” azy. Hitondra ireo hira sy angola gasigasy ary gadona amin’izao fotoana izao izy ireo amin’izany. Eo koa anefa ireo efa tany aloha nefa tsy lefy laza ka hohirain’ny Tafaray amin’ny feo mangany sy ny ahaizan’izy ireo izany.
Anisan’ny mandrafitra ny tarika ary mampiavaka azy ireo ny fampiaraham-peon’izy telo mirahavavy, ahitana an’i Salimo sy Zita ary Ellidan eny an-tsehatra. Miaraka amin’ireo mpitendry, toa an’i Tafita sy i Lucas. Efa mpanafana lanonana na fety samihafa rahateo izy ireo. Anisan’izany ny eny anivon’ny fiangonana sy ny fiakarana an-tsehatra amin’ireny hetsika karakarain’ny fikambanana samihafa ireny. Tahaka izany koa ny fetim-pianakaviana.
Nanamarika azy telo mirahavavy ny efa nanombohana nihira fony tany an-tsekoly na sehatra kelikely. Niakatra amin’ny seho avoavo kokoa taty aoriana, nanomboka ny taona 2017. “Nahafa-po ny fiakarana an-tsehatra tao Alatsinainy Bakaro. Tena nankafy anay ireo nijery ary nilaza fa tena miavaka ary manana ny maha izy azy izahay”, hoy i Ellidan.
Synèse R.