Rakool : handeha ho any Frantsa

Nambaran’ny minisiteran’ny Fanatanjahantena sy ny tanora, teny Mahamasina, omaly, fa efa nahazo taratasy “visa”, Razafindranaivo Koloina na Rakool, malagasy mpilalao baolina kitra. Hilalao any amin’ny klioba frantsay, Athletic Club Arlésien (D6) ity Malagasy lohalaharana ity. Maharitra herintaona eo ny fifanarahana ary azo havaozina izany.
Marihina fa tao amin’ny Five FC no nipoiran-dRakool ary nifindra tao amin’ny CFFA Andoharanofotsy. Taorian’ny “Chan Algérie 2022”, novidin’ ny klioban’ny Mouloudia AC Algérie izy. Nofaranan’ity klioba ity ny fifanarahana taminy, ny volana
septambra lasa teo. Tsara ny mampahatsiahy fa ny “Chan 2022” no tena nampisongadina an-dRakool. Baolina telo no tafiditr’ity kintan’ny baolina kitra malagasy ity tamin’izany fifaninanana izany.

Fitia Randria

Partager sur: