Hira fahiny… Tafapaka hatraty amin’ny taona 1950. Anisan’ny mampiavaka ny tarika Tsi-Ahy ny famerenana azy ireny. Feno 25 taona ny nanatontosan-dry zareo izany. tsy ho lalovam-potsiny ity vanim-potoana lehibe ity fa homarihina mandritra ny taona 2024. Hetsika maro no hotanterahina. Hosantarina anio, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, etsy amin’ny IKM Antsahavola izany fandaharam-potoana izany.
Fampisehoana an-tsehatra hizara telo. Fizarana voalohany, hanehoana ny maha Tsi-Ahy. Famerenana ireo hira fahiny, araka ny namoronan’ny tompony azy. Na hiran’olon-tokana na olona maro, tahaka izany koa ny fitendrena, tsy nasiana fanovana. Fizarana faharoa, natao ahatsiarovana ireo mpikambana nodimandry. Fizarana fahatelo, fanokafana ny taom-pankalazana.
Anisan’ny mampiavaka ity tarika ity ny fananany mpikambana mbola tena kely (10 taona) efa sahy mandray andraikitra amin’ny fampivelarana ny hira fahiny. Misy mitendry zavamaneno izy ireo. Ao koa ny mihira. 63 taona kosa ny zokiny indrindra, izay raiamandreny fitaratra ho an’ny tarika Tsi-Ahy.
Andraikitra sy adidy goavana eo an-tsoroky ny tarika Tsi-Ahy ny hampita amin’ireo taranaka mandimby ny hasin’ny hira fahiny, raha ny fanazavan’i Jeannot Rasolondraibe. Marihina fa ho fananganana tahiry ho fanatanterahina ireo hetsika rehetra tafiditra ao anatin’ny taom-pankalazana ny faha-25 taona, ity tanterahina anio ity.
HaRy Razafindrakoto