Nanatanteraka fanandratana mpikabary 20 mianadahy ny Kintan’ny Fanilo Mikabary, ny sabotsy lasa teo, tetsy Tsarahasina Ambohimangakely. Ny 10 tamin’izy ireo, nisalotra ny anarana « Matsilo », izay mpikabary niofana nandritra ny enim-bolana ka nandray ny mari-pahaizana maha mpikabary azy. « Manandratra ny tsara ho an’ny lova iombonana ny fanalavana ny Matsilo », hoy Ramilison Patrick Eugène, filohan’ny Kintan’ny Fanilo Mikabary. Nandrantoan’izy ireo fahalalana avokoa ny kabary tsy valiana, ny an-karatsiana ary ny kabary am-panambadiana. Ho an’ireo sokajy mpandalina indray, niofana nandritra ny efa-bolana, nanatevina ny fahaiza-mikabary efa nianarany tamin’ny dingana voalohany. Tanjon’ny fikambanan’ny Kintan’ny Fanilo Mikabary ny hananan’ny isan-tokantrano mpikabary tsirairay avy.
Ray mpiahy ireto andia mpikabary nasandratra ireto i Papa Tsilavina, tsy zoviana, amin’ny fanohanana ny kolontsaina malagasy, indrindra ny kabary. Teo ambany fiahian’ny Federasiona Mpikanto ny teny sy ny Soratra ity lanonana notontosaina ny faran’ny herinandro teo ity. Nisy ny seho sehatra sy kanto, tamin’ny alalan’ny kabary nataon’izy ireo. Nanambaran-dRamilison Patrick Eugène fa « mety any amin’ny taona 2025 any izy ireo vao hanandratra mpikabary indray ». Fanirian’ny FMTS kosa ny hamoahana mpikabary indroa ao anatin’ny taona.
Nanangona :
HaRy Razafindrakoto