Tontolon’ny hira: nodimandry i Jacques le Contrebassiste

Nindaosin’ny fahafatesana ny alatsinainy 27 novambra teo Rasoloniaina Jacques, fantatra tamin’ny solon’anarana « Jacques le Contrebassiste », teo amin’ny maha mpanakanto azy. Ny fitendrena io zavamaneno « contrebasse » io no nametraka azy teo amin’ny toeran’ny andrarezin’ny hira malagasy. « Hafa mihitsy rehefa ny hira no asian’i Jacques, contrebasse », hoy ny mpitia zavakanto sy ny mpahay mozika.
Ireo hira nivoaka tao anaty aingampanahim-pamoronana malagasy no tena nisongadinan’ny talentan’i Jacques le Contrebassiste. Anisan’izany ny sanganasan-dRakoton­dra­zafy Jean Jacques (izay rainy rahateo), ireo hira nokaloin’i Ludger Andrianjaka, Ossy, Abel Ratsimba, Kintana Telo, Ramaroson Wilson…
Anio no hoentina miala ao amin’ny trano fonenany, etsy amin’ny 67Ha Atsimo, ny nofony. Hanomezam-boninahitra an’Andriamanitra ao amin’ny FJKM Ambohimandrosoa Itaosy Fiorenana, mialohan’ny hanafenana azy ao amin’ny fasan-drazany eny an-toerana ihany. Mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviana sy ny tontolon’ny zavakanto malagasy ny Gazety Taratra.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: