Tsenan’ny mozika iraisam-pirenena : hiady ny “Prix Découverte RFI 2023” i Aynah

Lalana iray misokatra mankany amin’ny tsenan’ny mozika iraisam-pirenena ny “prix Découverte RFI”. Anisan’ireo voasokajy hifaninana amin’ity andiany manaraka ity i Aynah.

Saika isan-taona, manana solontena hatrany i Madagasikara. Anisan’ ireo noraisin’ny mpitsara hifaninanana anatin’ny “Prix Dé­couverte RFI 2023” i Aynah. Tarika 60 avy amin’ireo firenena afrikanina maro no nisafidianan’ny mpitsara voalohany, izay tarihin’ilay mpanao rap frantsay malaza, Black M. Tao anatin’ireo indray no naka ny 10 farany, hakana izay tena mendrika. Namoaka ny lisitra farany omaly, ny RFI, sady nanambara fa amin’ny 13 desambra ho avy izao no ho fantatra izay hibata ny amboara.

Amadeus (Sénégal), Jozie (Sénégal), Jessy B (RD Con­go), Espoir la Tigresse (Ga­bon), Kaya Bysinshii (Rwan­da), lil K HPB (Burundi), Niaka Sacko (Mali), Oprah (Côte d’Ivoire) ary i Queen Rima (Guinée) no hifaninana amin’ i Aynah amin’ity. Manana ny mampiavaka azy avokoa, saingy tsy mena-mitaha ihany koa ny solontena malagasy. Mila ny fanohanan’ny mpiray tanindrazana anefa ity mpanakanto ity, satria misy ny fifidianana misokatra ho an’ny besinimaro, ao amin’ny tranonkalan’ny “RFI Musique”.
Nisafidy ny solon’anarana Aynah i Nomenjanahary Aina, noho izy mora tononin’ny rehetra. Nanomboka niditra lalina tamin’ny mozika izy ny taona 2018, ary efa nisehatra tamin’ireo toerana maro mahazatra ireo tia mozika, toa ny IFM Analakely, La Teintu­re­rie, No Comment Bar, sns. Manana ilay feo miavaka izay izy, izay hainy nampivadiana tsara amin’ny “Afro pop”, mozika voiziny.

Ambony ny fanantenana hibatan’i Aynah ity loka lehibe ity. Anisan’ny hatahorana isan-taona ny Malagasy mpanakanto, hatramin’ny niandohany. Malagasy voalohany nibata ny “Prix Découverte RFI” tamin’ny taona 1982 i Mamy Ralaivita. Nanaraka avy eo i Lalatiana ny taona 1986, Régis Gizavo ny taona 1990, Tarika Njava ny taona 1992, Senge ny taona 1999, Rajery ny taona 2002, Mikea ny taona 2008. Ambivitra kosa ny tsy nahazoan’i Ayam ny loka tamin’ny andiany farany teo.

Zo ny Aina

Partager sur: