MFF, andiany faha-18 : tontosaina any Mahajanga ny tohin’ny hetsika

Mitohy any Antsanitia, Mahajanga, nanomboka oma­ly 29 novambra 2023, ny “Madagascourt Film Festival (MFF)”, andiany faha-18. Any an-toerana no hanatanterahana ny lanonam-pamaranana amin’ity hetsika ity, ny 2 desambra 2023. Anisan’ny mampiavaka ny hetsika rehefa any Mahajanga, ny “Ti Kino Gasy”. Eo ihany koa ny fandefasana sarimihetsika eny ankalamanjana. Sahala amin’ ny eny an-tsekoly. Tanjona ao anatin’izany ny fitiliana sy fanosehana ny mpanatalenta.
Tsikaritra tamin’ity andiany faha-18, amin’ny “MFF” ity, ny fahavitrihan’ny tanora, na eo amin’ny fandraisana anjara izany, na eo amin’ny fankafizana. Taratra izany nandritra ny hetsika natao omaly, ani­san’izany ny “Ti’Kino Gasy”, fotoana nampahafantarana sy nizarana traikefa sy fahaiza-manao, teo amin’ny tontolon’ ny sarimihetsika tamin’ireo tanora liana tamin’ny hetsika. Nisy ihany koa ny “Balade Kolo Sary”, fandehanana nitety ny tanànan’Antsanitia, ta­min’ny alalan’ny sarety, nampahafantarana ny tanàna sy ny fomba amam-panao ary ny kolontsainy, tamin’ireo mpandray anjara sy tomponandraikitry ny MFF. Tsy hadino anefa ny fampialana voly ny mponina tamin’ny fandefasana sarimihetsika ankalamanjana sy teny anivon’ny sekoly.
Mbola hitohy amin’ity anio ity ny hetsika rehetra, miaraka amin’ny fifaninanana isan-tsokajiny.

Lin

Partager sur: