Tanterahina eny amin’ny Galérie Mozaik Antsahabe, manomboka ny 7 desambra 2023 hatramin’ny 6 janoary 2024, ny fampirantiana « Isegno », hanehoana ny haikanton’i Isaac Azaly. Fampirantiana anisan’ny sangany sy manana ny maha izy azy izy ity noho ny fahasamihafan’ireo haikanto ho hita mandritra ny hetsika. Eo koa ny maha mpahay kanto marolafy an’i Isaac Azaly.
Haikanto maroloko sy manana ny maha izy azy no ho hita eny amin’ny Galerie Mozaik Antsahabe, ao anatin’ny fampirantian’i Isaac Azaly. Hisongadina amin’izany ny haikanto an-dalambe, toy ny « Street Art » sy ny « Bad Painting » ary ny « Pop Art». Anisan’ny hahafantarana an’i Isaac Azaly ny fanaovana hosodoko maro samihafa. Tsy loko ihany anefa fa maro ny akora anehoan’ity mpahay kanto ity izany talenta sy
aingam-panahiny izany. Anatin’izany ny lamba, ny taratasy…. Haikanto hiseharany kosa ny fanaovana varatava. Ankoatra izany ny fanehoany ny zava-misy iainan’ny vahoaka amin’ny maha mpahay kanto azy. Araka ny nambarany, efa ela niomanana ary efa vonona tanteraka hitondra haikanto mitaiza sy manabe izy.
Manana ny hoaviny tokoa raha ity mpahay kanto iray ity, noho ny fananany talenta sy aigam-panahy mambabo ny rehetra. Ankoatra ireo Malagasy, maro koa ireo vahiny liana amin’ny haikanton’i Isaac Azaly.
Lin