Tratra ny kapila hosoka 12 baoritra: Voasambotra Rahery, lehiben’ny mpanao piraty

Tsy mety foana ny fanaovana piraty. Mihamafy hatrany koa ny asan’ny Brigady manokana miady amin’ny hosoka, na ny BAP. Nahitam-bokatra ny fidinana ifotony, farany teo.

Kapila miisa 3315, tao ana­ty baoritra miisa 12. Efa vonona handeha haparitaka eny an-tsena rehetra eny ireto vokatra hosoka ireto, no tonga ireo avy ao amin’ny borigady manokana miady amin’ny piraty, tetsy amin’ny Petite Vitesse Tsara­lalàna. Voasambotr’ireo mpitandro filaminana ny alarobia lasa teo tamin’ny 4 ora sy sasany, Rahery. Mpanao kapila hosoka ikoizana sady mpamatsy ireo mpivarotra mandehandeha mitety tsena ity lehilahy ity. Efa ela no nikarohan’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny BAP azy ka izao tratra izao.

“Nahitam-bokatra tsara ny ady amin’ny fanaovana hosoka artistika tato ho ato, satria totoafo ny fanenjehana nataonay. Tsy mbola foana tanteraka anefa, fa mahita hirika hatrany ireo mpanao piraty sy ireo mpivarotra mpiara-miasa amin’izy ireo. Misy amin’ny endrika maro izany, toa ireto kapila hosoka ireto, ny fampidirana hira sy sarimihetsika amoron-dalana, sns, izay marihinay foana fa voararan’ny lalàna”, hoy ny fanazavana nomen’ny mpandrindra nasionalin’ny Borigady manokana misahana ny ady amin’ny piraty, ny commissaire principal de police, Rarivomanantsoa Eddy.

Taorian’ny niparitahan’ny tatitra momba ny fisamborana ity mpamongady kapila hosoka ity, anisan’ireo nanao fanamarihana tao amin’ny Facebook ny mpanakanto Stéphanie. “Izahay ato amin’ny groupe Stéphanie dia tsy nanome fahefana olona hanenjika sy hisambotra ary hitory any amin’ny tribonaly ireo olona miasa mampiditra hira sy video eny amin’ny sisin-dalana sy tsena rehetra eto Madagasikara. Raha mahasoa ka mahavelona na hahitanareo tombontsoa ny fivarotana ny sanganasako dia ataovy fa tsy azo atao cover”, hoy ity mpanakanto ity. Nanamafy kosa anefa ny tomponandraikitra voalohan’ny BAP, fa ny andininy faha-149 ao amin’ny lalàna 90-036 izay mifehy ny ady amin’ny hosoka ara-javakanto no mamaritra ny asan’izy ireo, ka rehefa piraty na inona na inona endriny dia manana andraikitra izy ireo hiady amin’izany. “Voararan’io lalàna io mihitsy ny fampidirana hira sy sarimihetsika amoron-dalana na aiza na aiza eto Madagasikara”, hoy hatrany ity tomponandraikitra ity.

Zo ny Aina

Partager sur: