Tsy mbola mahita mangirana ihany i Madagasikara. Vao mainka aza mijotso amin’ny lafiny rehetra ny ankamaroan’ny Malagasy. Maro ireo kajikajy heverina fa mahatonga izany… Toa tsy tazana sy vitsy mpiteny ny kolosaina sy ny fanabeazana.
«Manan-karena i Madagasikara » ! Maro tsy tambo isaina ny porofo manamarina izany. « Mahantra fadiranovana ny ankamaroan’ny Malagasy » ! Tsy mila mitady porofo lavitra fa tazana eny amin’ny andavanandrom-piainan’ny Malagasy izany. Vokatr’ilay kolosaina mbola voazanaka, tsy hita sy tsapan’ny Malagasy sasany ireo fifanoherana miharihary tahaka ny vay an-kandrina ireo.
Raha niditra amboletra teto ny vahiny, namotika ny fanabeazana izay nikolo ny saina no nimasoan-dry zareo voalohany. Nanaraka ho azy ny toekarena, sns. Nataony izay hankahalan’ny Malagasy ny momba azy manontolo. Ny taniny, ny teniny, ny fombany, ny finoany, ny fivavahany, ny kolontsainy … Samy nafokainy avokoa ! Nampidiriny sy nampanjakainy ny azy, avy eo.
Ilay kolosaina malagasy tia mikaroka, mandalina, mitady, mamakafaka, mifanampy, sns, nosoloin’ny mpanjanaka kolosaina miandrandra mana avy any an-danitra. Ilay kolosaina malagasy manaja ny fady, novain’ny mpanjakazaka an-tanin’olona kolosaina mpamingavinga ny ety an-tany sy mpaniratsira ny any ankoatra sy ny Zanahary…
Tsy tokony ho gaga intsony
Ilay kolosaina mihitsy no niova. Lasa kolosaina vahiny. Noho izany, tsy tokony ho gaga manoloana ny tranga hita ankehitriny ny Malagasy. Ny ahafantatra ny momba azy, aza, tsy mahaliana ny Malagasy sasany intsony. Ireo razana nipoirany, tsy fantany. Ny tanin-drazany, tsy fantany. Ny fombany, tsy hainy. Ny kolontsainy, tsy iainany… Saro-piaro tamin’ireo anefa ny Malagasy, satria, miainga amin’ireny no ahafantarana na « fototr’olona » na tsia ny olona iray.
Mila fanarenana goavana ny tontolon’ny fanabeazana eto Madagasikara. Tsy ny famerimberenana ny fifanoherana misy eo amin’ny tany aloha (fahiny, fahagola) sy ny amin’izao vanim-potoana izao no zava-dehibe, fa ny fanehoana ny maha izy ny Malagasy, any amin’ireo sehatra rehetra ahafahana manao izany. Tsy atao endrika ivelany fotsiny fa iainana mihitsy. Miteny amin’ny teny malagasy. Manaja ny zokiolona. Manaja fady, sns.
… Raha izany rehetra izany no tafaverina, hihiratra ny masom-panahin’ny Malagasy ka hahita ny tena zava-manjo azy !
HaRy Razafindrakoto