Fampitiavana ny kolontsaina – Taona 2024: raikitra ny tetikasa « Tokantrano iray, valiha iray »

Novolavolaina tao anatin’ny taona maro ! Raikitra fa hotanterahina manomboka ny taona 2024 ny tetikasa « To­kantrano iray, valiha iray ». Tafiditra ao anatin’ny fandaharanasan’ny Foibe fikarohana sy fampianarana momba ny valiha « Valiha Académie » izy ity, ho fampitiavana ny kolontsaina sy zavakanto malagasy.

Sedra telo lehibe no tsy maintsy nitadiavam-bahaolana, raha ny fanazavan’ny tomponandraikitra. Anisan’izany ny tsy fahafantaran’ny Mala­gasy (indrindra fa ny tanora), ny valiha sy ny momba azy. Faharoa, ny tsy fahampian’ny akora fototra handrafetana ny valiha. Fahatelo, ny vidin’ny valiha manoloana ny fahafahan’ny Malagasy manjifa iza­ny.

Raha ny fanazavan’ity tomponandraikitra ity hatrany, hiainga hatrany ifotony (fambolena volobe) ka hipaka hatrany amin’ny fampianarana ny momba ny tontolon’ny valiha (fitendrena, fomba amam-panao sy kolontsaina mifandraika amin’ny valiha…), ity tetikasa ity. Nohamafisiny anefa fa « lehibe i Ma­da­gasi­kara, noho izany, afaka miara-miasa amin’izay vonona ny hanatanteraka ny « Tokan­trano iray, valiha iray » », ity foibe ity.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: