Ramamimampionona Gérard: “Tena famotehana firenena ny zava-mahadomelina”

“Tena famotehana ny maha olona sy ny firenena ny zava-mahadomelina”, hoy ny mpan­dinika fiarahamonina, Rama­mimampionona Gérard, ma­noloana ny fidirana sy fiparitahana zava-mahadomelina eto Madagasikara amin’izao na tsy misy miresaka firy aza tato ho ato izay. Rehefa domelina ny tena, mitavana ny eto an-toerana ny hafa. Variana amin’ny zava-mahadomelina ny sasany na mahatsiaro ho miadana amin’izany. Nefa ny hafa mampiditra sy manaparitaka izany, mahay miadana amin’ny atsy sy ny aroa.

Amin’izao, lasa fitadiavam-bola ny zava-mahadome­lina. Tena tsy raharahina ny hafa, fa izay hahazoana vola fotsiny no atao. Ny fampiharana ny lalàna no fanenjehana an’ireny, asan’olona be dia be ny fiparitahany fa tsy izay mi­doroka fotsiny: iza no nam­boly, ny nitatitra, ny nivarotra, ny midoroka… ? Eo koa izay mahita izany, nefa mamela na mitazam-potsiny. Tokony hojerena avokoa izany, hofongorina fa fanetriben’ny fire­nena.
Manana andraikitra ny rehetra

“Misy ny hoe zava-mahadomelina hoe vokatry ny tany na toton-tanana. Manahirana na ny mihaino an’izany aza”, hoy izy. Misy koa ny zava-mahadomelina mahery vaika avy any ivelany, ataon’ny olona fitadiavam-bola. Misy manjifa eto matoa atobaka aty izany; indraindray, atobany: farany, milendalenda. Misy koa ny mpidoroka mitarika ny hafa. Misy andraikitry ny rehetra izany rehetra izany
Fandotoana ny saina ny zava-mahadomelina. Rehefa ny saina no donto, misy akony any amin’ny fo ary mahatonga ny olona hahery setra sy tsy mahafehy tena: very fanahy. Ny maha olona manontolo no voa. Rehefa simba ny maha izy azy ny tsirairay, tsy maintsy misy fiantraikany amin’ny fi­fandraisana ara-piarahamonina.

Misy zava-mahadomelina hafa

Mihevitra ny maro fa ny rongony ihany, ohatra, ny zava-mahadomelina. Nefa misy koa ny mandoto sy manadonto ny saina. Ny olona iray, ohatra, tsy mahalala afa-tsy mikirakira telefaonina, na matory ny olona, na misakafo, na mivory, na mianatra, na miasa, na mi­vavaka… Mahadomelina izany. Misy karazana zava-mahadomelina tsy eritreretina, nefa mahatonga ny saina tsy hihevitra zavatra hafa intsony: lasa donto ny saina, fo, fanahy. Izay zavatra iray izay ihany no tadiavina sy mampiankin-doha dia lasa tsy mivelatra intsony ny tena. Mila jerena koa izay.

R. Nd.

Partager sur: