Andriamalazaray Andoniaina : “Aleo hajanona ny fifidianana rehefa tsy ampy ny enti-manana”

Mby aiza ny fanavaozana manontolo ny lisi-pifidianana amin’izao? Hatramin’ny fanomanana ny fikarakarana fifidianana… Maneho fijeriny ny filoha lefitra voalohany eo anivon’ny Ceni, Andriamalazaray Andoniaina: “Aleo hajanona ny fifidianana rehefa tsy ampy ny enti-manana.” Dinidinika…

Gazety Taratra (*): 37% amin’izao ny taham-pisoratana anarana amin’ ny lisi-pifidianana. Ho vita amin’ny faran’ny taona ve ny fanavaozana manon­tolo?

Andriamalazaray Ando­niaina (-): Miezaka isika hanatratra ny tanjona: to­kony ho ao anaty lisitry ny mpifidy avokoa ny olom-pirenena rehetra feno taona sy manan-jo. Tsy ho vitan’ ny hoe isa fotsiny, fa tsy diso koa ny momba azy ireo. Rehefa tafiditra avokoa ny olona ka tsy misy fahadi­soana ny momba azy, ma­hazo miteny isika hoe milamina ary vita tsara ny asa.

37% ny taham-pisora­tana anarana amin’izao. Ny ampahatelony izay. Nefa iray volana sisa… Ahoana no hahatafiditra ny roa ampahatelony? Manome toky ny Ceni fa hiezaka ho mendrika ny firenena ary hahavita ny asa. Rehefa manombo-javatra, mihisatra sy mizatra hafainganam-pandeha eo am-piaingana. Rehefa tena mandeha sy mahazatra izay, mihamafy ny hafainganam-pandeha ary efa ao anatin’izay izao.

* Tsy misy ve ny olana amin’izany?

– Eo, ohatra, ny fisiana mpi­tarika antoko politika mire­saka ampahibemaso hoe tsy atokisana ny Ceni sy ny asany noho ny mbola tsy faharesen-dahatra izy ireo amin’ny firafitra na ny asa na ny mpikamban’ny Ceni. Mitarika ny olom-pirenena sasany hisalasala ary tsy manaiky hisoratra anarana amin’ny lisitry ny mpifidy izany. Vahaolanay
ny fandresen-dahatra hatrany sy fanamafisana ny serasera amin’ny hoe tsy misy afa-tsy ny fidirana ao anatin’ny lisitra no hahazoana mampandroso ny firenena. Efa fandraisana anjara amin’ny fampandrosoana ny fametrahana olom-boafidy misehatra fitantanana na fanaovan-dalàna.
Aleo tafiditra ao anatin’ny lisitry ny mpifidy ka tsy mi­fidy raha tsy mety amin’ny tena ny fikarakarana fifidia­nana na ny kandidà. Toy izay tsy ao anatin’ny lisitra, nefa akaiky ny tena, ohatra, ny kan­didà, na mety sy atokisana indray ny Ceni. Raha izay vao hanapa-kevitra hifidy, efa tsy ao anatin’ny lisitra. Tsy ma­mono antoka na ahina haha­very tombontsoa ny fidirana ao anaty lisitra.

* Manao ny tetibola amin’ny fikarakarana fifidianana?

– Mba hahazoana lisitry ny mpifidy azo itokisana no an­ton’ny fanavaozana manontolo, ary izay no heverinay hoe ham­pilamina ny fifidianana. Ampy ve ny enti-manana? Eo amin’ ny lafiny vola, fitaovana, olona… Na ny olona eny anivon’ny fo­kontany aza, tsy maintsy mbola mitady fanampiana amin’ny fiarahamonina izahay ho mpikamban’ny biraom-pifidianana. Raha ny vola izay fototry ny fitaovana koa, ho anay eto anivon’ny Ceni: tsy mikarakara fifidianana, raha vao tsy ampy ny enti-manana. Aleo tsy manao toy izay ma­naotao foana… Aleo hajanona avy hatrany ny fifidianana, rehefa tsy ampy ny enti-manana amin’ny vola izay miantoka ny lafiny fitaovana. Satria izay no mibahana amin’ny fiantohana ny raharaha, ankoatra ny olombelona.

Izay no anaovana antso ho an’ireo manana andraikitra sy ny mpisehatra rehetra: raha samy manao ny tandrify azy avy ny rehetra, antenainay fa tsy handiso fanantenana velively ny Malagasy ny Ceni fa ho mendrika ny firenena.

Nangonin’i R. Nd.

Partager sur: