“Niavaka lalàna mifehy
ny tetibola (LFI) isan-taona hatramin’izay naha solombavambahoaka izay ny amin’ity. Satria hita hoe voarafitra sy voatsinjara tsara ilay izy, indrindra ho an’ireo minisitera miandraikitra ny lafiny sosialim-bahoaka: ny mponina, ny rano, ny fambolena, ny fahasalamana, ny fampianarana”, hoy ny depiote , Rajoelina Seth.
Izay sosialim-bahoaka izay no tsinjovina manokana ao anatin’ny tetibola, taona 2023. Eo koa ny fampidirana mpiasam-panjakana. Satria anisan’ ny mamaha olana izay eo amin’ ny lafiny tsy fananana asa. Eo koa ny fanalana ny fahasahiran’ny vahoaka amin’ny fanaovana antontan-taratasy eny anivon’ny biraom-panjakana. Eo koa ny fitomboan’ny hetra amin’ny fampitomboana ny kitapom-bolam-panjakana. Raha 600 000 ny mpandoa hetra, 1 050 000 izao. Nitombo be izany ny hetra ato anatiny. Fa mihatsara koa ny fampidiram-bola avy any ivelany eo amin’ny fadintseranana.
Ny dikan’izay rehetra izay: misy vola hahazoana mamita ny tetikasa natomboka, nefa mbola be dia be ny tsy vita. Eo ny sekoly sy hopitaly manara-penitra, ohatra, indrindra ny lalana izay misy fiantraikany eo amin’ny fiainam-pirenena: ivoahan’ny vokatra, ivezivezen’ny vahoaka. Izay no mahatonga azy miteny hoe tsara rafitra ny tetibolam-panjakana, taona 2023, izay miandry ny fanatanterahana sy ny fampiasana azy. Amin’ny ankapobeny izay fa mbola betsaka ny antsipiriany. Rehefa tonga any amin’ny distrika tsirairay niaviany avy ry zareo depiote no manao ny tatitra ny amin’izany.
R. Nd.