Fanodinana harona plastika : kolontsaina aparitaka amin’ny fanabeazana

Nanatanteraka soniam-piaraha-miasa tetsy amin’ny Cercle Germano-Malagasy (CGM) Analakely, ny faran’ny herinandro teo, ny fikambanana Kolokitra sy sekoly roa. Izay vonona ho modely amin’ny fikirakirana ny fako sy ny harona plastika. Izay niaraha-niasa tamin’ny masoivohon’i Allemagne sy ny CGM.
“Anisan’ny kolontsaina iray ny fanaparitahana ny fanodinana fako sy harona plastika amin’ny vahoaka ary atomboka any amin’ny sehatry ny fanabeazana izany”, hoy Rajaona Mamy, mpandrindra ny kolokitra any amin’ny faritr’i Toamasina. Tanjona ny hampahafantarana ny rehetra fa azo avadika ho baolina ho kilalaon’ny ankizy, ho firavaka ary ho akanjo izany. “Olana eto Madagasikara ny tsy fahazaran’ny Malagasy manavaka fako”, hoy ny filohan’ny fikambanana, Andriambolanoro Mireille Clémence. Nohamafisiny fa mbola sarotra ny mampiditra izany ao an-tsain’ny vahoaka malagasy sy hampidirana izany ho kolontsaina iainan’ny tsirairay.
Anisan’ny hetsika nataon’izy ireo ihany koa ny filatroana sy ny fanolorana loka ho an’ireo mpandray anjara tamin’ny fifaninana mahakasika ny fanodinana fako plastika.
Marihina fa efa nisehatra tao anatin’ny roa taona, teto Madagasikara, ny fikambanana Kolokitra. Miompana amin’ny fanentanana ny mpiara-belona, indrindra momba ny fahalotoana sy ny fahasimban’ny tanàna vokatry ny fako plastika izy ireo.

Mino

Partager sur: