Fanangonan-tsonian’ireo depiote : ahina ho saro-toerana ny minisitry ny Fitsarana sy ny Mponina

Voahozongozona. Naneho ny tsy fahafaliany ka raikitra ny fanangonan-tsonia eny Tsimbazaza. Nohitrikitri­hin’ ny depiote Raholdina Naivo, omaly, fa tsy ara-dalàna ny nanapahan’ny minisitry ny Fitsarana ny karaman’ireo mpirakidraharaha miisa 56 noho ny fitokonana nataon’izy ireo. Notsiahiviny fa tsy notapahina karama izany ireo sendika nitolona niaraka amin’ny depiote 73 teny amin’ny kianjan’ny 13 mey. “Anisan’ny nit­o­lona teny ny mpirakidraharaha tamin’izany, saingy tsy tapaka izany ny karaman’izy ireo”, hoy izy. Nanteriny fa tokony hovahan’ny minisitra ny olana. Lasa iangonan’ny rihitra ny filoham-pirenena. “Tsy mpiasa an-tranon’ny mi­nisitra ny mpirakidraharaha. Volam-bahoaka no andoavana ny karamany, ny karaman’ ny mpiasam-panjakana sy ny anay depiote ka tsy mendrika atao tahaka izany”, hoy ihany izy.
Tsy fanonganana na fitsipahana…

Tsy vitan’izany fa notakin’ izy ireo koa ny hamerenana amin’ny toerany ny talem-paritry ny mponina ao Vaki­nankaratra. Noesorina izany ary nosoloina olona akaiky na fianakavian’ny minisitry ny Mponina, araka ny namba­rany.
Samy nanaovan’ireo de­piote taratasy izany ary efa mandeha ny fanangonan-tsonia halefa any amin’ny praiminisitra. “Tsy sonia fanonga­nana na fitsipaham-pitokisana io fa fitakiana ny karama’ny mpirakidraharaha sy ny famerenana ny tomponandraikitry ny mponina ao Vakinanka­ratra”, hoy ihany izy.
Tsiahivina fa anisan’ny efa averimberin’ny depiote Rahol­dina Naivo matetika ny tsy fahombiazan’ny minisitry ny Mponina sy ny minisitry ny Fitsarana.

Synèse R.

Partager sur: