Ankoatra ireo efa hita eny an-toerana ankehitriny, mitohy hatrany ny fiaraha-miasan’ity ivontoerana ity amin’ny mpahay kanto maro samihafa, ho fampiroboroboana ny kolontsaina sy ny haikanto ary ho tosika ho an’ny mpahay kanto.
Tanterahina manomboka ny 6 janoary 2024, eny amin’ny Hakanto Contemporary Ankadimbahoaka, ny fampirantiana «Nouvelle terre», karakarain’ity ivontoerana ity. Malagasy mpahay kanto miisa dimy, samy manana ny maha izy azy, no haneho ny kantony sy ny mampiavaka azy. Lohahevitra asongadina, mandritra izany, ny mahakasika ny fitiavan-tanindrazana sy ny haitontolo iainana.
Anisan’ny rantin-javakanto ho hita eny amin’ny Hakanto Contemporary Ankadimbahoaka, amin’io taona miditra io, ny fampirantiana «Nouvelle Terre». Tsara ho fantatra fa fiaraha-miasa eo amin’ny Hakanto Contemporary sy ny Malagasy mpahay kanto dimy no nampisy ity hetsika ity. Anisan’izany Andrianalitiana Amir Juvara na Amir. J, Arisoa Joelle na Joey Aresoa, Harimanjato Aina Jo na Jo Aina, Raherinjatovo Richianny na Richianny Ratovo, Raoilison Mbolatiana na Clipse Teean. Samy hanasongadina ny lohahevitra amin’ny alalan’ny haikantony avy ireto mpahay kanto ireto mandritra ny hetsika. Ho an’i Amir. J, nahafantarana azy ny hosodoko vita amin’ny lokorano. Ny fampifangaroana ny Sova sy ny Slam kosa no ahafantarana an’i Joey Aresoa, ankoatra ny maha mpanao haikanto plastika azy. Eo ihany koa i Jo Aina, mpamorona eo amin’ny sehatry ny fiankanjoana, Richianny Ratovo eo amin’ny hosodoko sy ny poezia ary Clipse Teean, izay mpanao hosodoko sy «Graphiti».
Haikanto maro samihafa, maneho lohahevitra iray, araka izany, no ho hita eny an-toerana mandritra ireo fotoana ireo.
Ankoatra izay, maro ny fampirantiana izay efa hita eny an-toerana amin’izao. Anisan’ izany ny “Lamba forever”, ny “Le Crépuscule”, ary ny “Sedran’ny tany”.
Lin