Fampianarana mozika mahomby? Ny fahaizan’ny mpianatra ihany no afaka manamafy izany. Efa nanome porofo kosa ireo mpianatra ao amin’ny Amponga-Music & Drum School, raha tsy hiteny afa-tsy ny fandraisana anjaran’izy ireo tamin’ ny “Ankizy Mozika Festival” farany teo fotsiny. Ho fanamafisana izany, mbola hisy ny seho “Dobok’Amponga”, izay hotontosaina ny sabotsy 16 desambra izao, manomboka amin’ny 2 ora, etsy amin’ny CGM Analakely.
Fotoana hitondran’ireo ankizy eo ambany fiahian’i Josia Rakotondravohitra ireo mpankafy mozika ho any amin’ny tontolony io. Fotoana hanehoan’izy ireo ihany koa ny fiangaliana ny amponga maroanaka, ho setrin’izay norantovina.
Ankizy sy tanora vitsivitsy no nofanin’i Josia sy ny ekipany ao amin’ny Amponga MDS, nandritra izay fotoana elaela nisian’ny sekoly izay. Ankoatra ny talenta sy ny fahaizany milalao ny amponga maroanaka, nahazo fahasoavana tamin’ny fahaiza-mampita ihany koa i Josia. Nanomboka ny taona 2011 izy no niroboka teo amin’ny fampianarana, na dia manaraka hatrany ireo tarika sy mpanakanto marobe izay misy azy. Tsikaritry ny maro fa vetivety dia manahaka azy ireo tena mifofotra amin’ny mpianany. Ny seho amin’ny sabotsy no hanamafy izany…
Zo ny Aina