Tsy tokony ho zava-baovao amin’ny Malagasy ny hoe «mahay zavatra». Saingy, simba tsikelikely izany noho ny antony maro. Satria, ao anatin’ny vanim-potoana fiverenana any amin’ny fototra, izao tontolo izao. Ho an’i Madagasikara manokana, mipoitra etsy sy eroa ireo milaza fa «mahay zavatra». Mahafantatra ny hoavy. Mahay mampitombo vola aman-karena. Mahay manatsara vintana. Mahay ody karazany maro (fitia, fiaro tanana…), sns. Ankoatra ny hita eny anivon’ny fiarahamonina, rakotra tranga tahaka ireo ny tambajotran-tserasera maro samihafa.
Noho ny fahaizany nifanerasera tamin’ny zavaboahary sy ny nanarahany ny lamina voajanahary, «nahay zavatra» tokoa ny Malagasy fahiny. Ankehitriny, mila mitandrina fatratra, satria, tsy vitsy ny mahay «kisarintsarin-javatra» fa tsy ny «tena zavatra». Maro ireo misoloky, misandoka !
Manomboka mangetaheta ny maha izy azy ny Malagasy. Mila fitandremana fatratra anefa ny fanatanterahana izany noho ny fisian’io tranga io. Mety hanimba io hetaheta io ny fahamaroan’ireo mpisandoka. Mety hiteraka fitsarana sy fiheveran-diso indray ka sanatria hamerina ny fankahalan’ny Malagasy ny zava-boahary eo amin’ny taniny fanindroany. «Mahay zavatra» ny Malagasy. Mila mampita izany fahaizany izany ihany koa ireo mbola mahatazona mba isorohana ny soloky.
HaRy Razafindrakoto