Karandoha telo no voalaza fa an’ny Malagasy, haranty ao amin’ny « Musée de l’Homme » ao Paris. Ny voalohany ny kabeson’ny Ampanjaka Toera. Ireo roa hafa kosa an’ny mpitari-tafiny, izay samy hangatahana hampodiana avokoa.
Teny amin’ny Rovan’i Madagasikara no nampanantena ny filoha Rajoelina fa tsy maintsy hampodiana eto ny kabeson’ny Ampanjaka Toera. Karandohan’ity mpanjakan’ny Sakalavan’i Menabe, izay nentin’ny frantsay natao karazana harena azo an’ady izany. Nandritra ny taona maro no naranty ao amin’ny « Musée de l’Homme ao Paris » izy io. Misy karandoha roa hafa, izay voalaza fa an’ireo lehiben’ny tafiky ny Ampanjaka Toera, miaraka amin’ny azy any. Nanomboka ny taona 2020 kosa no nanankinana ny andraikitra goavana amin’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina, dia ny fampodiana ny kabeson’ny Ampanjaka Toera aty Madagasikara, ka hitoetra any amin’ny toerana tokony hisy azy.
Dingana maro sady lava dia lava no sarotra ihany koa no lalovana amin’izany. Vaovao lehibe anefa ny nahenoana fa lany tao amin’ny Antenimierampirenena frantsay, ny alin’ny alarobia teo, ilay volavolan-dalàna mandrindra ny famerenana ireo taolambalo natao fampirantiana. Lany tsy nisy nitsipaka izany, ary antenaina fa hanara-dia ireo solombavambahoaka frantsay ireo loholona satria mbola handalo any amin’ny Antenimierandoholona frantsay ilay volavolan-dalàna ato ho ato.
Dingana tsy maintsy lalovana amin’ny maha lalàna azy io. Tohin’ny fihaonana efa nisy matetika teo amin’ny minisitry ny Kolontsaina frantsay teo aloha, Roselyne Bachelot, sy ireo tomponandrakitra ambony misahana ny Museum national d’histoire Naturelle, izay miandraikitra ny Musée de l’Homme ao Paris, izany. Mbola nisy koa ny fihaonana tamin’ireo tomponandraikitra ambony avy amin’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny frantsay sy ny iraka manokan’ny filoha frantsay, misahana ny fifandraisana iraisam-pirenena eo amin’ny sehatry ny harem-bakoka.
Mitohy miaraka amin’ireo tomponandraikitra tarihin’ny minisitry ny Kolontsaina frantsay, Rima Abdul Malak, ankehitriny ny dingana manaraka. Nifanarahan’ny roa tonta ny hisian’ny komity manokana iarahana, mba hanamora ny asa miandry. Efa nanendry ireo solontenany ao anatin’ny komity ny frantsay, tamin’ny alalan’ny taratasy nalefany tamin’ny minisiteran’ny serasera sy ny kolontsaina, ny volana aogositra 2023. Miandry ireo solontena avy amin’ny minisitera hafa kosa handrafitra ny solontena malagasy ny MSK.
Zo ny Aina