« Tour’nao »: hiditra amin’ny dingan’ny famaranana

Tanterahina anio, eny amin’ny Ivontoeran’ny kolontsaina Malagasy (IKM) Antsahavola, ny seho iarahana amin’ny Madagaslam, ao anatin’ny « Zoma finaritra ». Hetsika karakarain’ny IKM, ho fanomezana sehatra ny kolontsaina sy ny haikanto maro samihafa izy ity. Ho an’ny mpiangaly Slam manokana, fotoan-dehibe, ho an’ireo mpiantsa Slam, indrindra ireo vao misandratra, izy ity. Haharitra ora roa ny seho, ary misokatra ho an’ny rehetra ny fandraisana anjara.
Feno tanteraka ny fandaharam-potoanan’ny Malagasy mpankafy sy mpiangaly Slam amin’ity faran’ny herinandro ity. Ankoatra ny seho ao amin’ ny IKM Antsahavola anio. Hisy ihany koa ny dingana famaranana eo amin’ny fifaninanana “Tour’nao”, atao eny amin’ny Aft Andavamam­ba, ny sabotsy 16 desambra 2023, tolakandro. Raha ho an’ity fifaninanana ity, mpiangaly Slam miisa dimy, anisan’ny sangany no miatrika izany fifaninanana izany. Na­valona, Tsiory Hasina, Séve­rin, Indiamahery, Ludo ary Idealisoa. Tsy miova ny fitsipika sy fepetra fandraisana anjara fa sahala amin’ny an’ny fifaninana Slam rehetra ihany. Tsara ny mampahafantatra fa fihodinana efatra no efa no­tanterahina nialohan’izao fa­maranana izao. Anisan’ny efa nandrombaka ny fihodinana teo aloha i Navalona sy Séve­rin ary Indiamahery. Mbola misokatra sy azon’ny mpandray anjara rehetra atao kosa anefa ny mandrombaka ny amboara, mandritra ity dingana famaranana ity.

Lin

Partager sur: