Tarika Iraimbilanja: mitohy ny fanomezana fahafahampo ny mpankafy

Mbola velona sy miaina tsara ny tarika Iraimbilanja, ary manaraka ny fandrosoana sy ny fivoarana, indrindra ny eo amin’ny sehatry ny mozika. Tsy very fa voatazona hatrany ny maha izy ny tarika sy ny nahafantarana azy hatramin’izay.

Hanatanteraka seho eny amin’ny Kudeta Anosy, ny 23 desambra 2023, ny tarika Iraimbilanja. « Let’s rock that Christmas » no lohateny nampitondraina ity seho ity, izay karakarain’ny Moo­vie.com Event. Ity fampisehona ity ihany koa no hamaranan’ny tarika ny faha-40 taonany. “Miezaka hatrany manaraka ny fandrosoana sy fivoarana ankehitriny ary mitazona ny maha izy ny tarika”, hoy i Niry, mpikambana eo anivon’ny Iraimbilanja.
Efa vonona tanteraka ary seho miavaka no homen’ny Iraimbilanja ny mpankafy azy amin’io fotoana io. Haharitra ora telo ity “Let’s rock that Christmas” ity ary hisy fizarana telo. Ao amin’ny fizarana voalohany no ahitana ireo hiran’ny tarika, miresaka momba ny Krismasy. Ny tapany faharoa kosa no hikaloana ireo hira nentina avy any amin’iny faritra Atsimo iny. Ary ny tapany fahatelo farany, handrenesana ireo hira nankafi­zan’ny rehetra ny tarika Iraim­bilanja hatramin’izay.

Hisy ny vokatra vaovao
Mandritra ity fampisehoana hamaranana ny faha-40 taonan’ny tarika ity ihany koa ny hivoahan’ny rakikira vaovao, nampitondraina ny lohateny hoe “Iray fo, iray mozika”. Hira vaovao miisa 10 no handrafitra ity vokatra ity. “Misy ny hira vao noforonina sy nosoratana. Misy amin’ireo hira ireo kosa no efa tao fa izay vao nohiraina”, hoy i Niry. Manoloana ny fisian’ny endrika vaovao ao amin’ny tarika, nanambara hatrany ity mpikambana ity fa noho ny antony asa sy fahasalamana no tsy nahitana ireo mpikambana teo aloha. Anisan’izany i Roger, izay nosoloin’i Tommy noho ny tsy fahasalamana, ary i Dera izay nosoloin’i Tina, noho ny antony asa.

Lin

Partager sur: