Tselonina sy Fara Gloum : mitohy ny fampiaraham-peo

Nisy hiran’ny tarika Lota iray, niarahan’i Fara Gloum sy i Tselonina namerina. Tarika nisy an’Ingahibe, niarahany tamin’i Parany sy i Yves tamin’izany fotoana izy io. Maro ireo tsy nahalala ilay hira, saingy kosa nankafy ny “video”. Santionan’ny fampiaraham-peo izay hataon’i Fara Gloum sy i Tselonina anio, eny amin’ny Brothers Andraharo, manomboka amin’ny 8 ora alina.
Elaela tokoa no tsy nisy ny fiarahana an-tsehatra teo amin’ireto mpanakanto ireto. Samy nanana ny lalany, kanefa rehefa mihaona dia ampiarahin’ny mozika hatrany. Taizan’Ingahibe moa i Fara Gloum teo amin’ny mozika, ary maromaro ny hira izay nampindraminy azy. Ingahibe rahateo no nametraka ny anarana Fara Gloum, izay entiny an-tsehatra hatramin’izao.
Taizan’Ingahibe hafa eo amin’ny mozika hatrany i Feno sy i Mparany. Izy mirahalahy ireto no mpanaraka azy nandritra ny taona vitsivitsy izay, manana ilay fanahy mety amin’ireo hiran’Ingahibe, izay hiaraka an-tsehatra amin’izy ireo ihany koa.

Zo ny Aina

Partager sur: