Tafaray ny tia sy ny manina teny amin’ny CCEsca Antanimena. Niara-paly sy nanokatra ny fahadimy taonan’ny tarika ny fianakaviamben’ny Reko Band, tamin’ny alalan’ny seho avo lenta sy matihanina tanteraka.
Tontosa omaly, teny amin’ny CCEsca Antanimena, ny fampisehoana niarahana tamin’ny Reko Band. Fampisehoana nanokafan’ity tarika ity ny fahadimy taonany. Niavaka kely, amin’ny mahazatra ny mpankafy ny fampisehoana notontosaina omaly, noho ny fisian’ny seho manokana, nentina nanamarihina izay tonon-taona niseharana teo anivon’ny mozika izay. Na teo aza anefa izany, tafapetraka hatrany ny seho nahafantarana ny tarika sy nankafizan’ny maro azy.
Nifanome fotoana teny amin’ny CCEsca Antanimena indray ny mpankafy ny Reko Band omaly. Afapo ary tena nalaina nisaraka tokoa ny andaniny sy ny ankilany teny ampiafaran’ny fampisehoana. Nifandimby, niaraha-nankafy, nandritra ny fampisehoana mantsy ireo hiran’ny Reko Band, hatramin’izay niforonan’ny tarika. Nitotaly 34 ireo hira nandravaka ny fampisehoana. Nanakoako teny an-toerana ny “Misy anao”, “Hafa mihitsy”, “Mitonia”, “Tongasoa” sy ireo hiran’ny tarika tao anatin’izay dimy taona nisiany izay. Anisan’ny niarahan’ny fianakaviamben’ny tarika nankafy sahady ihany koa ny hira “Masoandro mibaliaka”. Nampiavaka ity fampisehoana ity, hatramin’ny efa nataon’izy ireo hatramin’izay, ny nisian’ny fihetsika niarahan’ny tarika nanao. Fihetsika izay noforonina manokana nanamarihina iny fankalazana ny fahadimy taonan’izy ireo. Teo ihany koa ny fandraisan’anjaran’i Hosea Marlyn, izay nanao ny tapany voalohan’ny fampisehoana, niaraka tamin’ny Reko Band.
Efa maro ny vinan’ny tarika, toa izany koa ireo tetikasa maro samihafa. Anisan’izany ny fitetezam-paritra, hatrany ampitan-dranomasina, hanamarihina ny fankalazana ny fahadimy taona.
Lin