Anisan’ny hifantohan’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana ny fanajariana ny lemaka sy ny fizarana kojakojam-pamokarana. Eo koa ny fizarana titra tany maitso (titre vert) ho an’ny tanora, sy fanomezana tohana amin’ny fiompiana.
Tanjona napetraky ny fanjakana, tanterahin’ny minisiteran’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae) ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Fomba hanatrarana izany ny fampitomboana ny velaran-tany azo volena sy ny fanohanana ny tantsaha mamboly sy mpiompy manerana ny faritra maro. Santionany, izay vita ny desambra teo, ny fanajariana ny lemak’i Beboka, distrika Antsalova, faritra Melaky, nahavitana tohodrano sy lakandrano, ka afaka manondraka velaran-tany mirefy 1.600 ha, raha 500 ha teo aloha. Nahafahana nanatanteraka azy ny tetikasa AD2Mn vatsian’ny Fida ao amin’ny Banky iraisam-pirenena ara-bola. Hiampy 6.300 taonina ny voka-bary handrasana aminy.
Toraka izany koa ny lemak’i Marovoay, nanaovana lakandrano mirefy 25 km, afaka manondraka velaran-tany mirefy 7.235 ha. Hitombo 5.600 taonina ny vokatra azo any an-toerana. Nahavitana azy ny tetikasa Padap, vatsian’ny Banky iraisam-pirenena ara-bola.
Masomboly, zezika, tany, …
Anisan’ny zava-dehibe nampiavaka ny taona 2023 koa ny fanamafisana ny fizarana kojakojam-pamokarana mivantana ny tantsaha, amin’ny alalan’ny tetikasa Purpa, avy amin’ny Tahirimbola fampandrosoana ny fambolena (FDA), ao anatin’ny banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Bad). Saika voavatsy avokoa ny faritra miisa 23, ka nisafidiana kaominina mila tena tohanana any anaty distrika. Nizarana masomboly, zezika (NPK sy/na organika), sns. Ny 10% amin’ny vidin’ireo ihany no aloan’ny tantsaha misitraka. Toraka izany koa ny fandaharanasa Papriz, amin’ny alalan’ny fiaraha-miasa japoney Jica. Manofana ny tantsaha amin’ny fambolem-bary manara-penitra, miampy fanomezana fitaovana toy ny fivelesam-bary sady manala akofa.
Zava-baovao nentin’ny fanjakana koa ny fametrahana ny tetikasa « titre vert », fizarana taratasin-tany titra ho an’ny tanora tantsaha. Homena biby fiompy tsara karazana koa izy ireo, hanatsarana ny taranaka, toy ny omby, akoholahy, ondry, osy, sns.
Njaka Andriantefiarinesy