RN4: vita tanteraka ny tetezan’i Maromalandy

Nosoloina tanteraka ny tetezan’i Maromalandy, any amin’ny lalam-pirenena fahefatra (RN4), izay efa tena antitra. Noravana manontolo, ary novana ho tetezana vita amin’ny « béton » azo ifanenan’ny fiara roa, mirefy 43 metatra. Natao ny 13 novambra 2023 ny andrana fampandehanana fiara teo amboniny. Hita fa manaraka ny kalitao takina ny nanatanterahana ny asa rehetra, ka nosokafana ho azo ampiasain’ny fiara sy ny mponina amin’izay ny tetezana. Miverina amin’ny laoniny ny fifamoivoizana, noho izany.

Manampy ireo, mitohy ny asa fikojakojana sy ny fanarenana ny lalam-pirenena fahefatra, mampitohy an’Antananarivo sy Mahajanga. Voakasik’izany indrindra ny ampahan-dalana  tena ratsy, simban’ny rivodoza tamin’ny taona 2022. Vinavinaina ho vita mialoha ny faran’ity taona 2023 ity ny asa rehetra mifandraika amin’izany. Famatsiam-bola avy amin’ny Banky iraisam-pirenena, ao anatin’ny tetikasa PDDR/CERC, eo anivon’ny minisiteran’ny Asa vaventy (MTP) no nanatanterahana ireo asa ireo.

Ankoatra izany, misy ny fanoloana ny tsivalam-by hitsahina amin’ny eo amin’ny tetezam-by Antsevabe PK43+000. Koa, mampandre ny besinimaro ny MTP, fa hisy ny fahatapahan-dalana, ny 26 desambra teo hatramin’ny 2 janoary 2024, manomboka amin’ny 2 ora tolakandro hatramin’ny 4 ora hariva.

Njaka A.

Partager sur: