Hiompana amina teboka efatra ny fenitra takina momba ny fanondranana dia ny famaritana ny lavanila vaky, ny fametrahana ny firenena niotazana ny vokatra hamidy eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Voalaza ao anatin’izany ny tahan’ny hamandoana sy ny tahan’ny vanilinina ary ny fomba fanatanterahana ny fanadihadiana simika ny lavanila araka ny fenitra ISO. Ireo no napetraka nandritra ny atrikasa fakan-kevitra nasionaly, ny zoma teo, teny Andrainarivo. Mifehy ny 80%-n’ny famokarana lavanila maneran-tany i Madagasikara. Antony mahatonga ny fanolorana izao fenitra izao any amin’ny komitin’ny Codex Alimentarius misahana ny zava-manitra any Inde, ny faran’ny volana janoary 2024 izao. Niatrika ity atrikasa ity ireo mpisehatra rehetra momba ny lavanila sy ireo teknisiana manam-pahaizana manokana momba izany.
Mila mamaritra ny fepetra ny famokarana sy ny fivarotana lavanila eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena amin’ny maha mpamokatra voalohany an’i Madagasikara. Nitondra fanazavana momba izany ny tomponandraikitra misahana ny kalitao sy ny fepetra momba ny vokatra avy ao amin’ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifana.
Henintsoa H.