Farihy Tsimanampetsotsa: arovana ny trondro jamba mitoho

Karazan-trondro jamba ny mitoho, antsoina hoe : « Typhleotris madagascariensis ». Tsy hita maneran-tany afa-tsy any amin’ny  faritra Atsimo Andrefan’i Madagasikara, toy ny ao anatin’ny zohy valanjavaboahary arovana ao Tsimanampetsotsa, Toliara. Mitantana ity toerana ity ny Madagascar National Park (MNP), miara-miasa amin’ny Vondrona olona ifotony (VOI). Manana ny kolontsainy mampiavaka azy ny mponina any an-toerana, ka misy ny fomban-drazana atao any amin’ireo zohy manodidina ny farihin’i Tsimanampetsotsa, sokajian’izy ireo ho toerana masina, toeram-ponenan’ny mitoho, izay tsy misy maso.

Manohana ny mponina amin’ny hetsika atao any an-toerana ny mpiasa sy ny teknisianin’ny MNP, hiatrehana ny tsindry mihatra amin’ny ala maina mikitroka sy ny kirihitra tsilo manodidina ireo zohy.

Foana ny fitrandrahana hazo

Misy vokany ny ezaka natao, satria tsy nisy intsony ny fitrandrahana hazo sady tsy nisy afo tsy voafehy, nanomboka ny taona 2018. Nitombo ny haavon’ny rano ao anatin’ireo zohy satria nihabetsaka ny rotsakorana tato anatin’ny roa taona.

Manohana ny VOI sy ny mpitantana ny faritra arovana miisa 64 eto amintsika ny Tahirimbola ho an’ny faritra arovana sy ny zavamananaina eto Madagasikara (FAPBM), nanomboka ny taona 2022. Raha atambatra, manome 2,66 ny tondro ny taham-pahasalaman’ny zavamananaina (IBI) ao amin’ireo faritra arovana ireo.

Njaka A.

Partager sur: