Namoizana ain’olona iray ary enina hafa naratra ny fanafihan-dahalo tao Soaserana, Ivohibe, ny 26 desambra teo. Dahalo nirongo fitaovam-piadiana nananika tanàna ka nangalatra omby 91. Naharay fampandrenesana ny zandarimaria miasa ao an-toerana ka nanao ny fanarahan-dia. Indroa niantoana ny fifandonana teo amin’ireo fokonolona nanara-dia sy ny dahalo. Nifamaly tifitra voalohany tsy lavitra ny tanàna ny roa tonta ka latsaka teny amin’ireo dahalo ny omby 46. Nitohy ny hazalambo niarahan’ny fokonolona sy ny zandary. Vokany, nifandona fanindroany indray ireto farany sy ny dahalo tao anaty ala, distrikan’i Vondrozo. Voan’ny tifitr’ireo tsy mataho-tody anefa ny iray tamin’ny fokonolona. Nentina notsaboina tao amin’ny CSBII Maropaika. Tsy tana ny ain’io lehilahy io noho ny fahaverezan-dra be loatra. Ankoatr’io, sivily enina hafa naratra nandritra ny fifampitifirana. Nanohy ny lalany nandositra ireo dahalo saingy tsy mamela mahazo ireo mpitandro filaminana ka mbola anaty fanarahan-dia tanteraka izy ireo. Tafaverina kosa ny omby 25.
Tsiferana R.




