Naiditra am-ponja vomjimaika ao Marofoto, Mahajanga ireo olona fito voarohirohy tamin’ny fanadiovana ilay vary simba 50 kaontenera tratra tao Mahajanga. Anisan’izany ny mpanangom-bokatra sady tompon’ilay orinasa, ny tompon’andraikitra tamin’ny fikarakarana ny taratasy. Voasaringotra tamin’ny raharaha ihany koa ny mpitoto vary, ny mpamily sy ny mpanampin’ny mpamily ary ny mpibata entana roa lahy. “Nampidinina afakomaly kosa ireo vary simba tao anaty fiarabe miisa dimy”, hoy ny zandary misahana ny famotorana. Nahitana vary 702 isa anaty gony fotsy mivadika ny fiarabe iray raha toa ka 711 anaty gony fotsy mivadika ny iray hafa. Mbola mivadika ihany koa ireo vary 461 tao anaty gony tamin’ilay fiara fahatelo ary misy soratra VARY TSARA kosa ireo tao anaty gony 230 isa. Fantatra fa gonim-bary 700 ny tao anatin’ilay fiara fahefatra izay efa tao anatina gony fotsy mivadika ihany koa. Ny farany nahitana 206 gony fotsy mivadika ary 206 gony mavo.
Fanazavana
Nampidinina ka nogiazan’ ny zandary sy ny talem-paritry ny varotra ao Boeny ary ireo solontenan’ny minisiteran’ny Indostria sy ny varotra ary ny fanjifana anaty efitrano lehibe iray ireo vary simba. Ireo fiarabe dimy saika hitatitra izany kosa mbola ao amin’ny orinasa Vision Madagascar (Vima) ambenan’ny zandary. Tsiahivina fa tonga tao amin’ny seranan-tsambon’i Mahajanga tamin’ny taona 2017 ireo vary 50 kaontenera nafarana ireo saingy tsy naka izany ireo orinasa mpanafatra noho ny antony manokana.
Henintsoa Hani