VAOVAO TAMBATRA

Nigadona ao Mahajanga ny sambo lehibe Hebridean Sky mitondra mpizahatany. Fahaton­gavana fahadimy ao an-toerana izy ity ary aman-jatony ny mpiondrana izay teratany amerikanina sy anglisy ny ankamaroany. Andrasana ao an-toerana, anio, kosa ny sambo lehibe iray Jacques Cartier, mitondra mpitsangantsangana miisa 113.
Tsy mandoa haba nanomboka ny 25 desambra teo, ny 98%n’ny vokatra malagasy aondrana any Sina. Tafiditra ao anatin’izany ny lavanila, ny ha­zandrano, ireo hanitra fanao amin’ny sakafo ary ny vokatra samihafa. Voakasik’izao avokoa ireo firenena 27 aty Afrika raha toa ka mbola hisitraka izany koa ireo firenena andalam-pandrosoana maneran-tany.
Tonga any Ambatoboeny ny milina lehibe fampiakarana rano. Ampiasaina amin’ny famatsian-drano fisotro ity milina ity, izay nijalin’ny mponina hatry ny ela. Eo am-panaovana ny andrana mampandeha azy ny teknisianin’ny Jirama amin’izao fotoana izao. Efa misitraka rano amin’ny ampahany ny any amin’ny kaominina Antafiabe.
Misy ny drafitrasa vaovao hampiroboroboana ny fizahantany. Anisan’ny tafiditra ao ny fampitomboana ny zotram-piaramanidina hafa. Miray ombon’antoka ao daholo ny mpisehatra voakasika, toy ny minisiteran’ny Fi­ta­terana, ny Fizahantany, ny ACM, ny Mada­gascar Airli­nes, ny Ade­ma, ny Ravinala Airports, ny CTM, ny ONTM, sns.

Partager sur: