INDRAY MIJERY

Manome vahana ny orana saika manerana ny Nosy ny fisian’ny tangoron-drahona ao amin’ny lakandranon’i Mozambika sy ao Atsimo Atsinanana. Ambany ny herijika hivadihany ho rivodoza, araka ny fanazavan’ny foibe famantarana ny toetry ny andro. Hisy fidinany ny maripana ambony ato anatin’ny telo andro ho avy.
Ny volana janoary 2024, hisy fihaonana manokana ho an’ny rehetra hikatsahana sy hifampizarana tombontsoa iombonana ho an’ny isam-batan’olona, volavolain’ny fikambanana mikarakara zokiolona eto Madagasikara. Eny amin’ny Centre Communautaire Résidence Grâce, fokontany Ambodivondava-Alasora no hanatanterahana izany.
Miziriziry tsy mety midina fa 750 ka hatramin’ ny 800 Ar ny vidin’ny atody akoho iray eny amin’ny tsena mpaninjara. Betsaka ny filana ka manararaotra ny mpamongady, hoy ireo mpivarotra. Any amin’ny volana janoary, aorian’ny fety, mihitsy vao tombanana hidina ny vidiny fa tsy ho latsaky ny 700 Ar intsony kosa.
Manabe sady mampiofana arak’asa ireo tanora marefo, ny programa “Up shift” tohanan’ny Unicef. Toy ireo niala an-daharana tany an-tsekoly, ireo tsy afaka manohy fianarana intsony satria sahirana ny ray aman-dreniny ary ireo tovovavy manan-janaka. Tanjona ny hananan’izy ireo fahaizana entina miatrika ny ho avy.

Partager sur: