Hotanterahina rahampitso, any amin’ny kianjan’i Barikadimy Toamasina, ny lalao ara-pirahalahiana, hihaonan’ny Tia Kitra FC sy ny Barea milalao eto an-toerana ampian’ireo Malagasy mila ravinahitra. Anisan’ireo mpilalao ho avy amin’io fotoana io, i Tsiry Kely, Berajo, Lolody ary i Jimmy Simouri.
Nivoaka ny 26 desambra lasa teo ny filaharana vonjimaika amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja Rugby, diviziona faharoa. Mitarika eo amin’ny telo voalohany ny CRAI sy ny CEA Andranomanalina ary ny 3F5 Amboditsiry. Marihina fa io ny filaharana amin’ny “1ère phase”.
Voaantso handrafitra ny ekipam-pirenen’i Korea Atsimo, i Kang-in Lee, mpilalao ao amin’ny klioba frantsay, Paris Saint Germain FC (PSG). Araka izany, tsy afaka ny hiatrika ny lalao hihaonan’ny PSG sy ny Toulouse, amin’ny 3 janoary ho avy izao, i Kang Lee. Hiatrika ny “Coupe d’Asie”, hatao ny 12 janoary – 10 febroary ho avy izao, any Qatar, ny tenany.
Hotanterahina any Côte d’Ivoire, ny 13 janoary – 11 febroary ho avy izao, ny fiadiana ny amboaran’i Afrika “Can 2023”. Namoaka ny lisitr’ireo mpilalao 27 handrafitra ny ekipam-pirenen’i Maroc, i Walid Regragui, mpanazatra. Anisan’ireo voaantso amin’izany, ry Achraf Hakimi, Saïss, Amrabat, Ziyech.