Andavamamba: jiolahy mpamerin-keloka  voatifitry ny polisy

Nirefodrefotra ny basy! Lavon’ny polisy nandritra ny fanenjehana ny jiolahy ny alin’ny alakamisy 28 desambra teo. Efa mpamerin-keloka ity olon-dratsy ity.   

Maty voatifitra nandritra ny fifandonana tamin’ny polisim-pirenana teny Andavamamba, afakomaly alina, ny jiolahy iray. Namaly ny polisy avy amin’ny Hery vonjitaitra miady amin’ny jiolahy mahery vaika, SAG,  izy ireo. Raikitra ny sakoroka, voatifitra ny iray tamin’ireo olon-dratsy. Mbola nahatrarana antsy lavalela sy vy fampiasa hanaovana ny asa ratsiny teny amin’ity jiolahy maty voatifitra ity. Nikasa hamaky trano sy handroba teny amin’ny manodidina izy ireo no sendra ny polisy nanao fisafoana. Tafaporitsaka ny namany hafa.

Matetika hisehoana asan-jiolahy miaro herisetra eny amin’ny manodidina an’Andavamamba ka antony hanamafisan’ny polisim-pirenena ny fisafoana alina.

Jiolahy iray naratra

Naratra mafy voan’ny balan’ny polisy avy ao amin’ny kaomisaria Manja, ny jiolahy iray tratra tao amin’ny fokontany Androtsy, faritra Melaky, afakomaly. Nitondra odiratsy maromaro teny am-balahany io lehilahy io rehefa nikasa hanatanteraka fanafihana. Hanadihady azy ny mpitandro filaminana kinanjo nitifitra avy hatrany io jiolahy io. Voatifitra teo amin’ny tanana havia ity farany. Nentina nihazo ny toeram-pitsaboana izy ary hatolotra ny fampanoavana tsy ho ela.

Tsiferana R.

Partager sur: