Jery todika 2023: mandeha ny fanamboaran-dalana

Nanana ny toerany tamin’ity taona 2023 ity, ny fanamboaran-dalana. Anisan’ny nisongadina tamin’izany ny fahavitan’ny lalam-pirenena RN9, ny RN44, raha mbola mitohy ny asa any amin’ny RN13.

Notokanana ny volana aogositra 2023 teo ny lalam-pirenena RN9. Mirefy 165 km ny lalana natao godirao tanteraka, izay nizara roa. Eo Analamisampy hatrany Bevoay, mirefy 85 km, ny ampahany voalohany, ary eo Bevoay hatrany Manja (80 km) ny faharoa. Misy tetezana vao amboarina koa any avaratr’i Bevoay, miampita ny reniranon’i Mangoky. Raha vita io fotodrafitrasa io, ny tetezan’i Mangoky no ho lava indrindra eto Madagasikara, satria mirefy 878 metatra. Tsiahivina fa efa vita godirao tanteraka tamin’ny taona 2018 ny RN9 miainga eo Toliara hatrany Analamisampy, mirefy 107 km. Famatsiam-bola avy amin’ny Banky afrikanina momba ny fampandrosoana (Bad), ny Tahirimbola saodiana sy ny Koesiana.

Vita godirao mankany Ambatondrazaka

Anisan’ny zava-bita goavana tamin’ity taona ity koa ny fahavitan’ny lalam-pirenena RN44, notokanana ny volana septambra 2023 teo. Miainga eo Marovoay, hatrany Vohidiala, mirefy 113 km. Nizara roa koa ny nanatanterahana ny asa, ka ampahany iray ny Marovoay-Amboasary (40 km), ary faharoa ny Amboasary-Vohidiala (73 km). Efa vita godirao taloha, ny Moramanga-Marovoay (20 km) sy ny Vohidiala-Ambatondrazaka (25km). Raha atambatra, mirefy 158 km ny lalana Moramanga-Ambatondrazaka, izay efa vita godirao tanteraka. Famatsiam-bola avy amin’ny Banky iraisam-pirenena no nanaovana azy.

Mitohy ny RN13 sy ny RN6

Nampitaraina ny rehetra koa ny lalam-pirenena RN13. Nataon’ny filoha Rajoelina fanamby ny tsy maintsy hanarenana sy hanaovana godirao azy io. Nanomboka tamin’ity taona ity ny asa, ka ampahan-dalana hatao ny Taolagnaro – Ambovombe, mirefy 103 km. Efa vita godirao ny am-polony kilometatra.

Anisan’ny mitohy koa ny fanarenana ny RN6, ny ampahan-dalana Antsiranana-Ambilobe, vatsian’ny Vondrona eoropeanina. ara-bola ihany koa ary ataon’ny Colas. Manao ireo asa ireo ny orinasa Colas, famatsiam-bola avy amin’itsy farany ihany koa

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: