Fanodinana volamena: hanangana ozinina i Madagasikara

Hapetraka amin’ity taona 2024 ity ny ozinina malagasy voalohany hanodina volamena. Hanana tahiry 4 taonina isan-taona no tanjon’i Madagasikara.

Haodina eto Madagasi­kara ny volamena mialoha ny hanondranana azy, araka ny fanambarana nataon’ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry, ny alahady teo. Hapetraka amin’ity taona ity ny ozinina mpanodina volamena (raffinerie aurifère) voatrandraka sy ireo birikim-bolamena (lingots d’or) mialoha ny hanondranana azy any ivelany sy amin’ny fomba ara-dalàna sy manaraka ny fenitra.
Hanampy betsaka an’i Madagasikara izany, noho izy hampitombo ny vola vahiny miditra eto an-toerana. Ankoatra izay, tokony hanana tahirim-bolamena maro ny firenena malagasy mba hampatanjaka sy hampiroborobo ny toekarena. Mba ahafahana mampiaka-danja ihany koa ny lanjan’ny Ariary eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena izany.

Tahirim-bolamena
Vina apetrak’i Madagasi­kara ny hananana tahirim-bolamena hatrany amin’ny 40 taonina afaka 10 taona, izany hoe, efatra taonina isan-taona no ho tehirizina. Volana vitsy lasa izay no vita ny famadihana ny volamena voadio (or doré) 1080 kilao novidian’ny banky foiben’i Madagasikara (BFM), ho lasa hanan-danja ara-bola (or monétaire). Ma­nana ny kalitao sy manaraka ny fepetra takin’ny fenitra iraisam-pirenena voafaritry ny London Bullion Market Asso­ciation (LBMA) ity volamena manan-danja ara-bola ity.
Milanja 1080 kilao ireo volamena nalefa tany Istanbul ho diovina, tsy niova kosa ny lanjany rehefa tafaverina eto Madagasikara. Namadika ireo volamena ho birikim-bola­mena i Istanbul Gold Refinery (IGR),orinasa laharana faharoa maneran-tany noho izy haingam-piasa sy mahavita izany ao anatin’ny fotoana fohy.

Henintsoa Hani

Partager sur: