Sady higadra mandra-pahafatiny ny mpanolana no hatao sesitany. “Mbola ho tsindromina fanafody simika ny filahiany tsy hamerin-keloka”, hoy ny filoha Rajoelina Andry.
Mihanaka ny fanolanana mianjady amin’ny zaza amam-behivavy, nandritra ny taona 2023. Hatramin’ny omaly mbola misy ny tranga nampihorin-koditra tany Toamasina. Zaza vao roa taona dia efa novetavetaina. Manoloana izany, teboka iray anisan’ny nitondran’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, tsindrim-peo io tamin’ny lahateniny, ny faran’ny taona. Hizaka ny sazy henjana ireo tsy valahara manomboka izao. “Ho gadraina mandra-pahafaty ireo mpanolana rehetra”, hoy ny filoha. “Hotsindromina ny filahian’ireo mpanolana tsy hahafahan’izy ireo manao io fihetsika mamoafady io”, hoy hatrany izy.
“Tanjona mba tsy hisy intsony ny mpanolana izay zara raha manefa sazy noho ny fahafantaran’olona ambony. Tsy maintsy hizaka ny heloka ataony izy ireo. Tsy vitan’izany, halefa sesitany mihitsy ireo olona manana fisainana tsy fampiseho masoandro ireo”, hoy hatrany izy.
Marihina fa ny fanaovana firaisana ara-nofo tsy hifanarahana amin’ny olona iray na ampy taona na tsy dia efa fampiharana ny fanolanana.
672 ireo voalona
Nahatratra 672 ireo lasibatry ny fanolanana ho an’ny taona 2023, araka ny tatitra azo teo anivon’ny fitsarana, hoy ny filoha Rajoelina Andry. “Melohiko ary melohin’ny lalàna ireo rehetra manao izany fihetsika mamoafady izany”, hoy izy. Manoloana io fizakana sazy henjana io, hisy fanovan-dalàna mifandraika amin’ io fanapahan-kevitra vaovao io. Ny lalàna momba ny fanolanana sy ny herisetra ara-nofo eto Madagasikara izay efa tsy nisy fanovana sy fanitsiana am-polon-taona maro.
Tsiferana R.