INDRAY MIJERY

Maimaimpoana ny fandraisana an-tanana voalohany ny vonjy taitra eny anivon’ny tobim-pahasalamana, eny amin’ny hopitaly sy ny CSB rehetra manerana ny Nosy. Miaraka amin’ny fonds de premiers soins d’urgence izany nandritra ny fiatrehana ny fetin’ny faran’ ny taona sy ny fandraisana ny taom-baovao. Faha­salamana manakaiky vahoaka no tanjona sady manampy manala fahasahiranana ny marefo.
Nilaza ny Apipa, omaly, tao anatin’ny fanambarana momba ny fandehan’ny rano eto amin’ny lemak’Antananarivo, fa tsy mbola misy loza vokatry ny fiakaran’ny rano na dia teo aza ny fahabetsahan’ny
rotsakorana.
Niaka-bidy ny legioma amin’izao fotoana izao, 4 000 Ar ny kilaon’ny karaoty eny amin’ny tsena mpaninjara. 400 Ar vao mahazo kotomila tahony iray… Tsy fantatra izay antony hoy ireo mpivarotra fa ny mpamongady mihitsy no nametraka ny sondro-bidy. Rehefa ho betsaka ny orana hanimba ireo voly legioma, hisondrotra ihany ny vidiny.
Sahirana ny tokantrano mampiasa arina fandrehitra nandritra ny fety faran’ny taona fa nikatona ny ankamaroan’ny mpivarotra. Samy nahatsapa koa fa nihena ny fatra azon’ny 500 Ar amin’izao fotoana izao raha mitaha amin’ny teo aloha. Rehefa fotoam-pahavaratra, mananosarotra ny famatsiana amin’ny lalana, hoy ireo mpivarotra.

Partager sur: