Manomboka miarina tsikelikely ny sehatry ny fizahantany eto Madagasikara. Nahatratra 222 848 ireo mpizahatany tonga teto amintsika ny taona 2023, araka ny tatitra navoakan’ny minisiteran’ny Fizahantany. Vokatra azo tamin’ny alalan’ny ezaka nataon’ny mpiara-miombon’antoka rehetra tamin’ny fandraisana ny vahiny. Tafiditra ao anatin’izany ny fampitomboana ny sidina iraisam-pirenena sy ny sidina anatiny izay antoka amin’ny fampandrosoana ny fizahantany. Manginy fotsiny ny fanamboarana ny fotodrafitrasa samihafa toy ny lalana. Vanim-potoana isan’ny nahabe ny mpizahatany ny 2019 satria tafakatra hatrany amin’ny 350 000 ireo tonga teto Madagasikara. Ankehitriny, manakaiky izany ny antontan’isa tamin’ny taon-dasa ka tokony ho tohizana sy hatsaraina ny ezaka efa natomboka.
Fampandrosoana
Manodidina ny 20 ny gazety boky iraisam-pirenena mampahafantatra an’i Madagasikara sy ny hakantony any ivelany. Anisan’ny nanamafy izany ny gazety boky Condé Nast Traveler, izay nilaza fa tafiditra ho ao anatin’ireo toerana tsara tsidihina mandritra ny taona 2024 i Madagasikara.
Tsiahivina fa nandray anjara tamina hetsika samihafa ho an’ny fampiroboroboana ny fizahantany tany ivelany koa i Madagasikara. Maro ny hetsika nentina nisarihana ny mpizahatany. Efa misy rahateo ny paikady ataon’ireo mpiantsehatra samihafa hanatsarana ity sehatra ity. Indrindra ho an’ny fampiroboroboana ny toekarena.
Henintsoa H.