Misaona ny eo anivon’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), araka ny vaovao nivoaka tao anaty tambajotran-tseraseran’izy ireo. Nodimandry, omaly, Rarivonjatovo Tafitaniaina, mpiasa ao amin’ny FMF. Ny eto amin’ny gazety Taratra dia mirary fiononana feno ho an’ny fiankaviany rehetra. Mandria am-piadanana Rivo.
Notontosaina ny sabotsy 30 desambra lasa teo, tao amin’ny kianjan’i Barikadimy Toamasina, ny lalao ara-pirahalahiana nifanandrinan’ny Tia Kitra FC sy ny Barea, mpilalao avy eto an-toerana. Resin’ny Barea tamin’ny isa 3 no ho 1 ny Tia Kitra FC.Marihina fa nampian’ireo mila ravinahitra avy atsy La Réunion, ny ekipam-pirenena malagasy.
Taorian’izay 11 taona sy 444 lalao niarahan’i Hugo Lloris, frantsay mpiandry harato, tamin’ny Tottenham, klioba anglisy, izay ; nisy ny lanonana fitsofan-drano azy tao amin’ny kianjan’ny Tottenham Hotspur Stadium. Marihina fa hifindra lasy ao amin’ny klioban’ny Los Angeles Fc, Etats Unis, izy.
Nofaranan’ny San Antonio Spurs tamin’ny faharesena ny taona 2023, nandritra ny fifaninanana NBA. Resin’ny Boston Celtcis tamin’ny isa 134 no ho 101 izy ireo ny alahady 31 desambra lasa teo. Ratsy ny famaranana ny taona ho an’i Victor Wembanyama, frantsay mpilalao basikety ao amin’ny Spurs.