Ady tanaty “bar” : lehilahy vaky loha, voavely tavoahangy

Naratra mafy, vaky loha, ny lehilahy tratry ny angaredona tanaty trano fisotroana. Voavely tavoahangy sy voahitsakitsaka izy. Telo lahy voasambotry ny polisy.

Voasambotra afakomaly, ny lehilahy fanintelony naman’ireo roa lahy niady sy nandratra olona tao anaty “Bar”. Araka ny vaovao avy amin’ny polisy, teny Ankadimbahoaka, ny alin’ny sabotsy 30 desambra teo no nisehoan’izany. Niara-niala voly tao amina trano fisotroana iray ireo mpinamana telo lahy mpidaroka. Nisy mpanjifa hafa anefa ilay toerana. Tsy fantatra mazava ny zava-niseho. Nisy tsy fifankahazoana teo amin’ity andian’olona sy ny raim-piankaviana iray. Raikitra ny taim-bava sy ny teny mahery tamin’ny andaniny sy ny ankilany. Niafara tamin’ny fifampikasihan-tanana ny disadisa. Nanaovan’izy telo lahy angaredona ity lasibatra. Nisy ny namely tamin’ny daka sy totohondry, ny iray nandray tavoahangina labiera nikasa hively. Tratran’ny be no ho vitsy ilay lehilahy iray, vaky nandositra.
Tsy lasa lavitra anefa ilay nikasa ny hanavotra aina fa nianjera. Nararaotin-dry zalahy novonoina na efa lavo ta­min’ny tany aza. Vaky ny lohany. Tsy vitan’izay, nodarohan’izy telo lahy sy nohitsahin’izy ireo ny kibony.

Tonga ny polisy

Vetivety taorian’ny ady saritaka, tonga teny an-toerana ny polisy. Niditra an-tsehatra nandamina ny raharaha teny an-toerana izy ireo. Voasambotra ny roa lahy tompon’antoka tamin’ny famonoana. Nirifatra nandositra ny lehilahy fahatelo. Nentina nihazo ny hopitaly HJRA ilay lehilahy naratra mafy teo amin’ny faritry ny lohany. Nitohy ny fikarohan’ny polisim-pirenena ao Tanjombato. Vokany, tra-tehaka afakomaly ny iray farany tamin’ireto mpikasi-tanana. Mandeha ny famotorana.

Tsiferana R.

Partager sur: