Hampaharitra ny tahiry : mikatona vonjimaika ny jono horita

Mikatona mandritra ny fotoana voafetra, nanomboka ny 15 desambra teo ka hatramin’ny 31 janoary, ny jono horita. Tanjona ny mba hahafahana mampitombo sy mampaharitra ny tahiry efa misy.

Toy ny isan-taona, mikatona vonjimaika, nanomboka ny 15 desambra teo ka hatramin’ny 31 janoary 2024, ny jono horita amin’ny endriny rehetra. Mikatona iha­ny koa izany ny volana
jolay ka hatramin’ny septambra, any amin’ny faritra Atsimo Andrefana. Atao izao mba hahafahana mampitombo sy mampaharitra ny tahiry izay hiarahana amin’ireo komity mpandrindra ny jono horita (Comité de gestion de la pêche aux poulpes, CGP). Hanome fitsaharana biolojika ho an’ny horita lehibe sy tanora mandritra ny vanim-potoana ny fanatodizany ny fanakatonana ny jono. Hetsika azo vokatry ny ny fiaraha-miasan’ny vondron’olona mpandrindra ny faritra an-dranomasina any an-toerana (LMMA), izay manampy betsaka amin’ny fiarovana ny rohivoahary an-dranomasina. Nilaza ny WWF Madagascar fa 11 ny LMMA mandray anjara mavitrika amin’ny fitantanana maharitra ny jono horita ao Mahafaly, atsimon’i Toliara. Ireto farany izay mampiasa fomba roa samihafa amin’ny fanjonoana ity hazandrano ity.
Fanentanana

Hanatanterahana ny hetsika fanakatonana ny jono horita, nisy ny fanentanana ho fampahafantarana ny maha zava-dehibe ny fitantanana maharitra ny jono horita, izay niaraharana tamin’ireo mpisehatra, ny 5 ka hatramin’ny 14 desambra teo. Anisany nandray anjara tamin’izany ny foibe mpanara-maso ny jono (CSP), ny talem-paritry ny Jono sy ny toekarena manga (DRPEB) ao amin’ny faritra Atsimo Andrefana. Teo ihany koa ny federasoina Milano­riake ary ny ekipan’ny WWF. Manodidina ny 12 teo ny tanàna, mpanjono, nanaovana ny hetsika tao atsimon’i Toliara.

Henintsoa Hani

Partager sur: