Miato vonjimaika ny fitaterana an-dalamby mampitohy an’i Fianarantsoa sy Manakara (FCE), nanomboka ny talata 2 janoary teo, noho ny fandalovan’ny rivodoza Alvaro. Hamakivaky ny tanàna andalovan’ny zotra an-dalamby ny rivodoza ka antony nandraisana ny fepetra hiarovana ny mpandeha sy ny ainy. Tsy mbola fantatra hatramin’izao ny hiverenan’ny fisokafan’ny zotra, araka ny fanambarana nataon’ny FCE. Hiverina amin’ny laoniny kosa izany aorian’ny zava-misy sy ny toetr’andro, raha ny fanazavana hatrany. Tsiahivina fa niverina nisokatra nanomboka ny 23 desambra teo ny zotra mampitohy an’i Fianarantsoa sy Manakara, rehefa niato nandritra ny volana vitsy. Manamora ny fitateran’olona sy fitateram-bokatra ary ny entana amin’ireo faritra roa ireo ity zotra ity, izay mampifandray an’ireo tanàna manodidina. Manampy amin’ny fifamoivoizana rahateo izy, indrindra any amin’ireo toerana saro-dalana. Fantatra fa mandalo amina gara 18 sy tetezana 75 ary tunnels 48 ny lamasinina. Tombony ny fahitana ny hakanton’ny tontolo maitso amin’iny faritra Atsimo Antsinanana iny, toy ny ala, ny tendrombohitra, ny riandrano, ny tanimbary ary ny renirano.
Henintsoa H.