Nirefodrefotra ny basy! Jiolahy nitam-piadiana maty voatifitry ny zandary, tetsy Ankadikely, afakomaly. Nototoin’ny jiolahy vodibasy kosa ny tompon-trano saika norobaina.
Maty voatifitra teo am-panaovana ny asa ratsiny ny jiolahy roa lahy, tao amin’ny fokontany Manazary, kaominina Ankadikely Ilafy, ny alin’ny talata 2 janoary teo. Nahare antso vonjy ny mponina manodidina ka nampandre ny zandary. Nihetsika avy hatrany ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Ambatobe sy ny avy eo anivon’ny borigadin’Ankadikely. Nifanehitra tamin’ireo olon-dratsy tao anaty haizina izy ireo. Nanapoaka basy ireo jiolahy. Raikitra ny fifamaliana tifitra. Vokany, voan’ny bala ny roa lahy tamin’ireo mpandroba. Tapitra ny ain’izy roa lahy minitra vitsy, noho ny fahaverezan-dra be loatra. Nirifatra nandositra ny namany, mpiara-manao asa ratsy tamin’izy ireo.
Voavely vodibasy
Naratra mafy voavely vodibasy nataon’ireo jiolahy ny olon-tsotra iray lasibatra. Tsy nisy nahina kosa ny ainy. Voatery manaraka fitsaboana noho ny ratra. Efa am-pelatanan’ny zandary ny basy nampiasain’ny jiolahy. Marihina fa toerana malaza ratsy amin’ny tsy fandriampahalemana, indrindra ny vaky trano miharo daroka ny ao amin’ny manodidina, fokontany Manazary.
Alain’ireo mpandroba hatramin’ny akoho amam-borona ao am-pisoko mihitsy ho an’ireo tokantrano efa lasibatra. Tsiahivina fa vao ny taon-dasa teo no nahatrarana mpangalatra telo lahy teny Betsizaraina, tsy mifanalavitra an’i Manazary. Efa mamita sazy eny am-ponja avokoa izy telo lahy.
Tsiferana R.